Fiangonana Antiokia

Sermon  •  Submitted
0 ratings
· 9 views

A sermon devliered at invitation to FBB Ankadifotsy as a report of the work in Southern Madagascar with cooperation of the baptist churches there.

Notes
Transcript

Intro:

Mampamangy nareo daholo ny fiangonanantsika any Toliara. Mbola salama tsara izy ireo fa, ohatran'ny mitovy amy tsika daholo anie, mbola sahirana koa izy ireo amin'ny Corona sy ny sisa. Miarahaba an'i nareo koa ny fiangonana rehetra izay any amin'ny faritra Mahafaly sy izy ireo any amin'ny faritra Masikoro koa. Tena isaorako ny Tompotsika, na dia mafy aza ny Corona, na dia tsy miala sasitra ny devoly, mbola mijoro ny fiangonana any. 
Mety efa hainareo fa ny fikambanananay, zany hoe ny IMB, no te hahita fiangonana tafatsangana eto Madagasikara ao amin'ny foko sy firazanana marosamihafa. Ny mahatonga ilay vina zany no hitantsika eo amin'ny Apokalypsy toko fahafito andinany fahasivy, ny vakiny hoe izao:
 "Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom- pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anolon’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany.” (Rev. 7:9).
Tadidio fa rehefa ho nandeha hiakatra any andanitra i Jesosy dia nanome baiko izy mba hataontsika izay mpianany mpianatra hafa koa amin’ny firenena sy fokom-pirenana rehetra. Eo amin'ny Asa 1:8 koa no nanome toky koa izy hoe . . .
Asa I:8 (Acts 1:8)
Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. (MBP)
Raha ampiaharantsika izay teny Jesosy izay amintsika androany dia ny teneniny hoe, "hijoro vavaolembelo nareo na eto Antananarivo, na amin'ity faritra ity, na amin'ny faritra hafa koa (izay mety tsy tianareo haleha) ka hatraminy sisan-tany.
Ka ohaona no hitratrarantsika io tanjona io?

Tantara misy Fanontaniana aoriana:

Taorian’ny nahafatesan’i Stephana, dia tonga dia nisy fanenjehena be niatra tamin’ireo mpianatran’ i Jesosy tao Jerosalema. Lasa niparitaka daholo ny mpianatran’ i Jesosy, samy nizarazara izy ireo ka nandositra tamin’ny tany marosamihafa. Ary maro ny mpianatra lasa nandeha lavitra. Tany amin’ireo tany nalehan’zareo zay no nitorian’zareo ny tantaran’i Jesosy, fa tamin’ny izay olona zanak’Abrahama ihany. 
Nefa anie, maro tamin’ny mpianatra koa (izay nanana tanandrazana hafa koa) no nandositra tany aminy tanana atao hoe, Antiokia. Rehefa tonga tany zareo dia nitory ny tantaran’i Jesosy tamin’ny foko sy olona manana firazanana hafa koa, fa tsy hoe tamin’ny taranaka Abrahama fotsiny. Maro tamin’ireo olona hafa foko sy firazanana tao Antiokia no nino sy nandray an’i Jesosy ka lasa mpianatra koa.
Rehefa naheno ny fiangonana tao Jerosalema hoe nandray an’i Jesosy koa izareo olona hafa foko sy firazanana any Antiokia, naniraka i Barnabasy izareo. Barnabasy io dia tsara toetra sady feno ny Fanahy Andriamanitra ary be finona. Ka refeha tonga any izy, dia faly be, satria hitany fa maro be ny mpianatran’i Jesosy tao Antiokia sady mijoro marina amin’ny finona Jesosy izareo. Ary hitany fa fahasoavan’Andriamanitra no mahatonga io vokatra io. Rehefa nahita an’izany izy, dia tapa-kevitra hijanona fa tsy hamangy fotsiny ka nampianatra fotoana ela tany.
Rehefa afaka kelikely dia nandeha tany Tarsosy i Baranabasy mba hitady an’i Paoly, somary mifanalavitra ireo toerana ireo (220 km). Ka rehefa hitany amizay i Paoly dia noreseny lahatra hiverina miaraka aminy any Antiokia. Niverana tany Atiokia izy roa lahy ka niaraniasa mampianitra. Nandritra ny taona iray dia niaraniangona tamin’ny fiangonana sy nampianatra olona maro tao zareo rao lahy.
Ka tamin’izany fotoana izany tao Antiokia no nanononana voalohany ny teny hoe, “Kristiana.” Zany no fiantsoan’ny olona ny mpianatran’i Jesosy, na taranaka Abarahama na karazana olona hafa koa.
Ary tao Antiokia koa nisy olona mpitondra hafatra Andriananahary, avy any Jerosalema. Tonga tao Antiokia izareo, ka ny anakiray no nitory dia nanambara tamin'alalan'ny Fanahy Andriamanitra. Ka hoy izy hoy, “Hisy kere hoavy eto antany.” Rehefa naheno ny hafatra ny mpianatra rehetra dia nino fa hisy zany, ka tonga dia nanpakevitra mba samy hanome izay voatsiramin’ny tanana mba hanampianany ireo Havana iray finona any Jerosalema. Nampitondran’zareo an’i Barnabasy sy Paoly ireo fanampiana ireo.
Izany no tantara nalaina tamin’ny Baiboly eo amin’ny Asa 11:19-30.
Ka inona no tiantsika tamin’ny tantara teo?
Inona no tsy tiantsika tamin’ny tantara teo? Na inona no tsy mazava tao anatin'ny tantara?
Inona no hitantsika momba an’ny toetran Andriamanitra?
Inono no hitantsika momba an’ny fombantsika olombelona?
Inona no lesôna iray tsoahinao manokana amin'ny tantara?
Iza no izay olona afaka torianao ity tantara ity amin'ny herinandro izao?

Hevi-dehibe: 

Ny fahatanzahana sy ny fampijoronanantsika fiangonanana tsy avy amin'ny fahandriam-pahalemana, na fahaizana, na fitaovana, na fahaleotena aza, fa avy aminizay nataon' Jesosy mahantsika karazana olombelona vaovao izay mihavana miray. 
Ny herin'i Jesosy miasa ao amintsika no hafahafa ihany. 
Jero amin'ny tantara, noho ny hery Jesosy dia . . . (1) fahoriana sy fanenjehena no mampitombo sy mampivelatra ny fiangonana, indrindra amin'ireo olona amin'ny foko sy firazanana hafa. 
Asa 8:4; 8:1  
Rehefa maty i Stephana, rehefa nanenjaka mpianatra Jesosy i Saoly, rehefa niparitaka ny mpianatra . . .
Henonay fa mbola sahirana nareo, mbola hisedra olana hatrany itsika. Nefa tsy mba hanakana ny fanjakanan Andriamanitra mihisty izany.
Noho ny hery Jesosy dia  . . . (2) tsy itsika tsirairay no lasa mahery fa ny fiarahatsika miasa amin'ny fandraisana anzara feno no mahamatotra sy mampijoro ny fiangonana.
Diso izahay misônera avy any ivelany raha tsy miaramiasa sy mandray anjara aminareo fiangonana, satria misy zavatra tsy anananay izay anananareo, misy zavatra tsy vitanay izay vitanareo.
Tsy tokony manao asa-fanampoana samy hafa irery tsika na isika fiangonana na isika olona tsirairaiavy, fa raha samy miaramiasa, mandray anzara amin'ny asa itsika vozay hitratrarantsika ny tanjona. 
Isaorako nareo nandefa ekipa tamin’ny herintaona mampianatra momba ny sekolilahady, izay mihisty ny asa-fanompoana anakiray tsy ho no vitanay. Isaorako koa nareo mandray anzara amin’i Pastera Antonny mivady, ary i Pastera Aina koa. Tena mameno zavatra be dia be izy ireo amin’ny asa-fanampoana amin’ny fiangonana any. Ary angamba misy traikefa na fahaizana ananan’ny namantsika any no ilainareo eto koa. Amiko, tena mahatsara asantsika sady mankasitraka Andriamanitra ny fandraisana anzara ohatran'izany.
Raha tsy mahay miaramiasa sy mandray anzara ny fiangonana Batista, na ao amin’ny FBBM zany na ao aminay fiangonana rahavavin’areo avy any ivelany, ny dikany zany dia lasa tsy hotratra ilay vina hoe ho fijorona vavaombelonan’i Jesosy itsika.
-- Ohatran’ny fianavakiana iray tsy mifampitaiza -- 
Ary koa, noho ny hery Jesosy dia . . . (3) tsy samy mahaleotena ihany ny fiangonana fa mampinfandray olona hafa karazana, sy hafa fomba, hafa tanan-drazana, ary hafa fihinana ny fiangonana mba ho lasa fianakaviana iray ao amin'i Jesosy.
Ny antony no nahatonga ny olona namorona anarana vaovao hoan’i mpianatra Jesosy, satria hitan’izy ireo karazana olona izay samihafa fomba, samihafa fady, samihafa filazana no mikambana sy miray fihina samy manompo an'i Kristy. 
Na nahaleotena ny fiangonana tao Antiokia dia mbola nahatsiaro indraikitra sy didy izy ireo hikarakara ny fiangonana Ray-amandReny. 
Isaorako nareo amin’ny rakitra sy fanampiana sakafo nampitondrainareo izahay izay tonga dia noentinay tamin'ny fiangonana Androy sy Mahafaly. Tsy afenako aminareo fa, rehefa lasa tamin’ny heritaona ny misônera tany, nisy olona izany nivaza ny fiangonanatsika hoe, “Aiza ny Ray-amandReny nareo amizao? Mba tadiava Ray-amandReny hafa, satria tsisy hikarakara anareo amizao” Tsy mety ho Ray-amandReny ny misônera vahiny sy mpandalo ihany, fa mila anareo izy ireo any. Aza manadino ny namantsika mijaly amin’ny kere any atsimo.

Conclusion: 

Na, izany hoe, ny fiangonana izay enjehena fa miaramiasa sady mandray anjara na amin'ny olona tsirairay avy na ireo samy fiangonana ho mijoro vavaolombelona Jesosy, na amin'ity renivohitra ity, na katraminy faritra sy ny faritra hafa koa, na katraminy foko sy firazaka rehetra. Ary hoavy izay fijorona vavaolombelona izay amin'ny faran'ny tany.
Related Media
See more
Related Sermons
See more